Vina 7000
/ Ewald Frank
Language: Malagasy
Other languages
1. Vina 7000
Vina 7000
Filazana ankapobe
an’ny misionera Ewald Frank
Ry mpamaky malala,
Tsy mila fotoana lava akory ianao, raha hamaky ity famelabelarana fohy ity. Ny andro iainantsika izao dia fotoana mirotoroto be, satria isan’andro izao dia misy foana vaovao renesintsika mikasika zavatra manokana. Filazam-baovao tokana monja dia anomezana antsika zavamitranga maro izay, raha taloha, dia ho tao anatin’ny taonjato iray no ho nitrangany: loza voajanahary, hanoanana, fahoriana vokatry ny ady, adim-poko, “fandringanana foko iray”, fampihorohorona ara-pivavahana, vono-olona sy heloka isan-karazany no voalaza fa misy manerana ny tany. Ao amin’ny firenena iray ihany, dia mety sady misy doroala mandravarava atiàla matahitra be any andrefana, no misy tafio-drivotra manimba zavatra tsy hita nonoa any atsinanana. Toa niova tanteraka tsy toy ny taloha intsony ny ankehitriny. Ireo olana politika, sy ireo ara-toekarena ary ara-tsosialy, dia tsy ahitana vahaolana mahafapo, na ao amin’ny firenena tsirairay, na eo anivon’ny iraisam-pirenena.
Anatin’ity famelabelarana ity isika no handinika vetivety, amin’ny alàlan’ireo famiananian’ny Baiboly, ireo zavamitranga ankehitriny. Sahabo ho 6000 taona lasa izao ny nahitan’ireo olombelona voalohany ny hazavan’ny masoandron’ity tontolo ity. Sahabo 2000 taona no nandalo hatra tamin’i Adama ka hatramin’i Abrahama, 2000 taona hatra tamin’i Abrahama ka hatra tamin’i Kristy, ary mbola 2000 taona koa hatra tamin’ny nahaterahan’i Kristy (izany hoe hatra tamin’ny nanombohan’ny fanisampotoantsika ankehitriny). Rariny tokoa raha manontany tena isika hoe izao fihovana taonjato izao ve tsy kiondàlana ao amin’ny tantaran’ny zanakolombelona? Ary arakaraky ny anatonantsika ny taona 2000 dia mihamaro hatrany ireo fanombatombanana mikasika izany. Ireo manam-pahaizana manokana dia manoritra sary maizina an’io hoavy akaiky io. Misy ireo olona, tahaka ity loholon’ny Etazonia iray ity, izay manahy fandrao ny taranatsika izao no voalohany mahazo matahotra ho taranaka farany an’ity sivilizasiona ity. Tsy misalasala ny olona miresaka momba ny “fara-andro“ sy ny “helon’ny apokalypsy“ izay madiva hitsarapaka amin’ity bolantany ity. Manahy amin’izay hitranga tsy-ho-ela ny ankamaroan’ny olona. Iza àry no hatonintsika ny amin’ireo lohahevitra lehibe ireo? —ireo mpahita sa ireo “jamba”? Ny filazan’ireo filozofy ve no horaisintsika ka hadikantsika? sa kosa hanontany an’ireo mpanao fankatovana sy ireo mpandinika lanitra? Afaka hahazo valiny azo antoka ve isika amin’ireo fanontaniana ireo? — Tsy isalasalana, satria voasoratra hoe: «Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’andro;» (2 Petera 1:19)
Maika ankehitriny ny ahazoana filazana mikasika ny ankehitriny, avy ao amin’ny Soratra Masina, ary tokony heken’izay olona rehetra mitady valiny marina sy mahitsy fo. Noho Izy “mahalala ny zavatra rehetra”, dieny tamin’ny fiandohan’ny fotoana, Andriamanitra dia afaka nampanoratra ny zavatra hitranga any amin’ny fiafarana. Ny olombelona dia tsy afaka manoratra ny tantara, afa-tsy amin’ny fahafantarany ireo zavatra efa nitranga. Fa Andriamanitra kosa, Izy dia alohan’ny hitrangany, no efa nanoritany ny Tantara manontolo an’izao-tontolo-izao, sy ny “Tantaran’ny Fanavotana” ao anatin’izany, ary izany dia hatramin’ny fametrahana ireo lanitra vaovao sy tany vaovao, mandra-pidiran’ny fotoana indray ao amin’ny mandrakizay. Ny fizotry ny fotoana dia efa voafaritra, ary izany dia tsy misy fiverenany.
Amin’ity “Vina 7000” ity, izahay, andaniny dia te-hampifantoka ny sain’ny olona amin’ny zavatra manatona antsika tsy azo ihodivirana, izay efa antomotra, ary ankilany, hanoro ny hany làlana tokana ialàna amin’ny fandravana hoavy tsy ela. Raha ny fandehan-javatra ankehitriny no jerena, dia misy tokoa ny zotra mazava tsara, mifanaraka amin’ireo “famantarana ny fotoana” izay efa voambara mialoha ao amin’ny Soratra Masina. Nandritra ireo 2000 taona lasa, na toa tsy nisy aza zavatra tonga nivantana avy tany an-danitra, nampikorontana izao-tontolo-izao, koa sarotra amin’ny olona ny mino fa Andriamanitra dia miasa ao amin’ny Tantara, ny zavatra voasoratra dia tsy maintsy hitranga, noho izany efa nolazain’ny Tenin’Andriamanitra mialoha.
Enina andro no namoronan’Andriamanitra izao-tontolo-izao, ary nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito. Raha “taona ara-paminaniana” no resahina, ny indray andro amin’Andriamanitra dia toy ny arivo taona amintsika. Izao no voasoratra: «Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.» (2 Petera 3:8: Sal 90.4)
Ao amin’ny Asa 2:17 ny apostoly Petera, raha nampahatsiahy ny faminanian’i Joela mpaminany, dia niteny ny amin’ireo “andro farany” izay hirotsahan’ny Fanahy Masina, ary ireo 2000 taona an’ny Andron’ny Fahasoavana no noteneniny tamin’izany.
Araka ny ahazoantsika antoka fa mamarana ireo 6000 taona isika izao, dia azo antoka toy izany koa fa efa eo ambaravarantsika ny “Andron’ny Tompo”, ny andro fahafito an’Andriamanitra, izay ny taonarivo fahafito. Araky ny Apokalypsy 20, izany dia ho Fanjakam-piadanana haharitra 1000 taona, izay hiarahan’i Kristy amin’ireo Azy, eto ambonin’ny tany. Izao no lazain’ny andininy faha-6: «Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.» Aorian’ny fotoana fanadiovana ny tany, dia ho tonga ny fanavaozana azy, ary izy ho tafaverina amin’ny endrika Paradisa indray, izay hanjakan’ny “tena fiadanana”. Na ny amboadia sy ny zanak’ondry aza dia hiara-miraotra (Isaia 11:6-9). Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika dia mahita ireo filazana mikasika ny lohahevitra ara-Baiboly an’ny “vinan’ny taonarivo fahafito”.